“…fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay” Josoa 24: 15b
Tanteraka ny sabotsy 8 martsa 2025 lasa teo ny fiofanan’ny diakona eto anivon’ny FJKM-Gland Fahasoavana. Notarihin’ny Mpitandrina RASOHARINAIVO Mioranantenaina ny fiofanana.
DIakona mahay manompo no lohahevitry ny fiofanana.
Nampianarina nandritra io fotoana io ny fomba fitrandrahana Soratra Masina hiomanana amin’ny fanazavana mofon’aina, ny fanentanana ny faritra, ny fitsidihina pastoraly, ny fahaizana mandamina.
Indro sary vitsivitsy voaray nandritra izany fotoana izany.