Fiantsoana Fivoriambe 24 novambra 2024

Ho tanterahina ny alahady 24 novambra 2024 izao ny fivoriamben’ny fiangonana. Koa dia manasa ny mpandray ny fanasan’ny Tompo rehetra hanatrika izany fivoriambe izany.

Ny laha-dinika dia fanapahana ny:

  • Tetikandro 2025
  • Tetibola 2025

Ho antsika mpandray izay maniry ahazo mialoha ireo antontan-taratasy izay hodinihina mandritra io fotoana io dia mangataka antsika hanoratra mailaka any amin’ny Biraompiangonana (bureau@fjkm-gland.ch) ahafahana manolotra izany ny alahady 17 novambra 2024 ho avy izao.

Mangataka antsika hitondra am-bavaka ny fikarakarana rehetra.

Ny Biraompiangonana