Fety sy fianarana !

Ny Filoha sy ny Biraon’ny Sampana Dorkasy dia mampita izao hafatra izao:

Noho ny fetin’ny reny teto Soisa tamin’ny alahady 09 mai 2021 lasa teo dia nanolotra fanomezana ho an’i Pastera Anna RAZAKANIRINA sy i Ramatoa Andy RANDRIAMAMPIANINA ny Sampana Dorkasy.

Mampita fisaorana ho an’ny Sampana Lehilahy Kristiana tamin’ny nanomezan’izy ireo voninkazo ho an’ireo reny nanatrika io fotoam-pivavahana io.

Ny Sampana dia faly koa mampatsiahy fa mitohy ny fianarana Soratra Masina miaraka amin’ny ray aman-dreny Mpitandrina amin’ny 19 jona 2021.