Fanokanana ny FJKM Stuttgart – 21 may 2022

“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao” Matio 5. 14 

Izany Tenin’Andriamanitra izany no entin’ny FJKM Stuttgart hisarihina antsika amin’ny fanokanana azy ireo amin’ny sabotsy 21 may 2022 ho avy izao amin’ny 12 ora antoandro.

Alohan’ny alahady 8 may no handefasana ny valinteny avy amintsika.

Indro ny adiresy vaovao hanatanterahana ny fanompoam-pivavahana.

Erlöserkirche
Birkenwaldstrasse 24
70191 Stuttgart

Parking centre commercial « Milaneo » : Wolframstraße 35, 70191 Stuttgart.

Ho antsika eto amin’ny FJKM-Gland maniry hanatrika ny fanokanana dia manatony ny Biraompiangonana ahafahana mandrindra ny fandaharana rehetra iarahana.

Indro ny rohy ahafahantsika mahita ny taratasy fanasana voaraintsika:

Rohy fanasana fanokanana FJKM Stuttgart