Fanokanana ny FJKM-Freiburg Fiderana

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tontosa soa aman-tsara tamin’ny sabotsy 26 oktobra 2024 lasa teo ny fanokanana ny VOMM Freiburg ho lasa fiangonana FJKM Freiburg Fiderana.

Ny hafatra noraisin’ny Filohan’ny Synodamparitany, ny Mpitandrina Yves Raholiarison dia avy amin’ny Matio 21: 32

Fahamarinana telo no miantefa @ fiainan”ny fiangonana

1) Ny fahefan’I Kristy no ankatoavana ao @ fiangonana. Kristy no tompony. Na toa inona nananganana io fiangonana io dia na inona fanentanana dia fitaovana isika. Aza maka ny toeran’i Kristy. Mitaky fanetrentena izany.

2) Fanajana ny sitrapon’Andriamanitra. Nantsoina ianao hanao asan’Andritrananitra. Ny fiangonana dia sehatta iray hankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra

3) Ny fiangonana dia vavahadin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Nitohy tamin’ny sakafo Agape ny fotoana.