Zava-dehibe ho antsika eto amin’ny FJKM-Gland ny fanohanana ny sekoly sy ny fanohanana ara-sosialy. Asa vavolombelona amin’ny maha-fiangonana antsika izany.
Rehefa avy nanohana tany Mozambique isika dia nampidirin’ny Mpandray tamin’ny fandaharam-potoana manomboka amin’ity taona ity ny fanohanana tetik’asa any Madagasikara.
Isaky ny alahady faharoan’ny volana may noho izany dia hanatanteraka fanohanana tetik’asa any Madagasikara isika. Hanatanteraka rakitra faharoa isika noho izany amin’ny alahady 11 mey 2025 ho avy izao.
Ny tetikasa ho tohanantsika amin’ity taona ity dia tetikasa sosialy ao amin’ny FJKM Moramanga Fitiavana, momba ny fikarakarana ireo zaza tsy manan-kialofana izay miisa eo amin’ny 40 eo ho eo. Tetikasa mifantoka manokana amin’ny fampianarana manoratra sy mamaky teny ary fikarakarana manokana ireo zaza toy ny fampandroana sy fanomezana sakafo azy ireo.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana