Fanohanana ny Sekoly FJKM

207 taona ankehitriny ny Sekoly FJKM (1818 – 2025). Manokana ny alahady faharoan’ny volana jona isan-taona ny FJKM ahafahana mitondra am-bavaka ny Sekoly sy koa manohana ny Sekoly FJKM. Zava-dehibe ho antsika FJKM-Gland ihany koa ny fanohanana ny sehatra fanabeazana toa itony.

Hanatanteraka rakitra faharoa noho izany isika amin’ny alahadin’ny Pentekosta, 8 jona 2025, ho avy izao.

Mangataka antsika hitondra am-bavaka hatrany ny fikarakarana rehetra.

Ny Biraompiangonana