Fanohanana alahadin’ny SaAFF

 “Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homen’ NY TOMPO ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” (Lio 6, 38

Trano fiangonana Ambalapaiso

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpandray tamin’ny novambra 2024 dia tapaka fa manomboka amin’ity taona 2025 ity dia hanatanteraka asa manokana isika entina ahatsiarovana ny asa tanterahina eo amin’ny SaAFF.

Hisy izany isan-taona ny rakitra faharoa isaky ny alahady faharoan’ny volana septambra hanohanana ny SaAFF. Ny tetik’asan’ny Fitandremana ao Ambalapaiso no ho tohanantsika amin’ity taona 2025 ity amin’ny alalan’izany rakitra faharoa izany.

Tamin’ny faha-14 septambra lasa teo dia toy izao ny fanohanana voaangona:

  • 139.90 CHF
  • 52.- EUR

Ny fikasana ny amin’ny hanatsarana ny fiangonana no vinavina ho fitarihana ny olona ho tia hamonjy ny fiombonam bavaka sy ho tamana antranon’Andriamanitra hihaino ny teniny. 

  • JIRO MANDEHA AM ERIN NY MASOANDRO ho amin’ny fanomanana ny tenin Andriamanitra 
  • BAIBOLY ALITARA 
  • BAIBOLY 20 hatao fanomezana ho an’ireo atokana Mpandray 
  • Lamba LITORJIKA amin’ireo loko LITORJIA ho an’ny Latabatra Masina sy ny polipitra famakiana sy Fitoriana ny TENY. 

Toy izao ireo fanohanana ho atao amin’ny taona manaraka:

  • 2026: Fanohanana “Poste d’évangélisation” Mandrosonoro
  • 2027: Fanohanana Toeram-panomanana Mpitandrina (TPM)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.