Fanasana sy fisaorana : STK

Fanasana Zara-pahasoavana 2024
 » Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana » Gal6:10

Ny STK dia faly manasa antsika rehetra mpianakavin’ny finoana hifanotrona amin’ilay fotoana antsoina hoe zara-pahasoavana, izay hatao ny alahady 29.09.2024 ao amin’ny salle St Gervais ao Genève manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva.
Amin’ny maha zara-pahasoavana azy moa dia fifampizarana no atao koa am-pifaliana no hizaran’ny STK amintsika vatsim-panahy, kilalao hialana voly ary fiaraha-misakafo gasy.
Hery lehibe ho an’ny STK ny fahatongavantsika rehetra koa tongava maro ry havana amin’io fotoana io.

Ny birao STK

Fisaorana avy amin’ny STK :
« Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho ; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy» Salamo 34:1

Ny Sampana Tanora Kristianina dia misaotra an’ Andriamanitra noho ny nahatontosana soa aman-tsara ny fisindana izay natao tany Vàlencia tany Espagne tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra lasa teo.
Maneho fisaorana manokana:
Ny Mpitandrina, tamin’ny fotoana rehetra sy ny fampianarana.
Ny tokantrano izay nampiantrano sy nandray tamim-pitiavana feno.
Ireo mpiara-dia rehetra nanome aina sy nifampizara hafaliana
Ny Fiangonana manontolo nitondra am-bavaka sy ireo rehetra nanohana tamin’ny endriny maro samihafa.

Jesoa Tompo anie hamaly fitia anareo tsiraira avy, ary hanome ny fiadanany aminareo.

Sary vitsivitsy fianaran-kira volana jolay