Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny alahady 28 aprily 2024 lasa teo ny fivorian’ny Mpandray nanapahana ireto teboka ireto:
- Atsangana ny Komity Sosialy eto amin’ny fiangonana. Ny asan’izany Komity izany dia ny handinika sy hanapaka ary hijery izay azo hanohanana ireo mpiangona misedra fahasahiranana.
- Tapaka ihany koa ny fanitsiana ny teti-bola 2024 izay manampy 4000.-CHF ao amin’ny fandaniana. 2000.- CHF amin’izany fandaniana izany dia atokana manokana ho an’ny Komity Sosialy.
Ho antsika mpandray maniry ny ahazo fanazavana fanampiny amin’ireo teboka notapahina ireo dia iangaviana hifanerasera amin’ny Biraompiangonana.
Manentana hatrany antsika amin’ny fanohanana ny fiangonana. Etoana dia tiana ny manantitra fa ny fitadiavam-bola voalohany tanterahintsika amin’ity taona 2024 ity dia mandritra ny voka-dehibe voalohany amin’ny Pentekosta, ny alahady 19 may 2024.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana