Fanampiana traboina any Madagasikara

Noho ny voina mihatra amin’ny firenentsika ankehitriny taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza dia hanatanteraka fanohanana manokana isika. Noho ny maha-maika ny fanampiana dia 500.-chf no atolotra avy hatrany ankehitriny.

Hanatanteraka rakitra faharoa isika mandritra ny fotoana roa:

  • Fotoana voalohany dia ny alahady 27 martsa 2022, ao Gland
  • Fotoana faharoa dia ao Saint-Julien ary mbola hofaritana aoriana.

Toy izao ihany koa ny antso voaraintsika avy amin’ny Synodamparitany SP37:

Araka ny taratasy nalefan’ny Sekretera Jeneraln’ny FJKM, fangatahana fanampiana Traboina ho an’ny Synodamparitany Mananjary Pangalana, Atsimo Atsinanana, Matsiatrasoa (SP23) noho ireo Rivo-doza nifanesy tany Madagasikara dia manentana antsika kristiana rehetra hiombona hifanome tanana, ry havana araka ny fivorian’ny Biraon’ny SP37 tamin’ny Talata 15 Febroary 2022 lasa teo.

Koa iangaviana ny isam-pitandremana sy ny VOMM samy hanao « Rakitra manokana » na « vonjiranovaky » araka ny mahamety ny isam-pitandremana mialoha ny 05 Martsa 2022. Ny vola voahangona dia ho entin’ny Biraon’ny Fitandremana sy ny VOMM amin’ny Hetsiky ny SP37 amin’ny 05 Martsa 2022 mba ahazoana mandefa izany miaraka any an-tanindrazana.

« Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao » File.1 :21