Fampianarana Septambra – Ny Finoana

MIORINA AMIN’NY FINOANA NY MPINO

(Les croyants s’affermissent dans la foi, les croyants se bâtissent dans la foi)

Ny Finoana dia iray amin’ireo soatoavina teolojika(une des vertus théologales) nomen’Andriamanitra antsika (Ohatra : Finoana, Fanatenana, Fitiavana).Ny teny hoe “Finoana” dia nandikana ny teny Grika hoe “Pistis” izay tena mahalaza hevitra maro tokoa toy ny hoe: fahatokiana(fidélité), fankatoavana (obéissance), faharesen-dahatra (conviction) fanarahana (suivance), fihainoana (écoute), sy ny hafa koa. Heb11.1 : « Or la foi est une ferme assurance des choses qu’on espère, une démonstration de celles qu’on ne voit pas. », « Now faith is the assurance (substance) of things hoped for, the conviction of things not seen ».

  1. NY FINOANA DIA FITAOVANA NOMEN’ANDRIAMANITRA (la foi comme outil) :
  2. Finoana dia toy ny fitaovana handraisana zavatra (toy ny tànana) : Zava-dehibe amin’ny Kristiana ny Finoana, satria ny Finoana dia tahaka ny fitaovana handraisana izay rehetra atolotr’Andriamanitra ho an’ny olona, ary ahafana mifandray aminy rahateo. Ny Finoana irery ihany no ahazoana famonjena, fampihavanana amin’Andriamanitra, famelan-keloka, fanamarinana (justification), fahagagana, fahasitranana ary ny zavatra hafa rehetra avy amin’Andriamanitra (Jao 3.16 -18; Jao 3.36; Rom 3.28; Rom 14.23; Mar 5.34 ; Jak 5.15). Raha tsy misy finoana dia tsy afaka mandray zavatra avy amin’ny Tompo isika (Heb 11.6)
  3. Finoana toy ny fitaovana iasana: ny finoana dia entina hanompoana an’Andriamanitra, hanampiana ny hafa, hanaovana asa samihafa. (Jereo Jao 14.12 ; Jak 2.17)
  4. Finoana toy ny fitaovam-piadiana: entina iarovan-tena (defensive: Efe 6.16), hanafihana (offensive: 1Tim 6.12; 2Tim 4.7), handresena (1Jao 5.4-5).
  • NY VONTOATIN’NY FINOANA: (contenu, essence, l’être, substance)
  • Jesoa Kristy: ny vontoatin’ny finoana dia ny momba an’i Kristy, ao amin’i Kristy, miaraka amin’i Kristy ary amin’ny alalan’i Krsty Jesoa (Jao 14.11; Asa 16.31; Heb 12.2; 1 Kor 15.14)
  • Ny Filazantsara: ny Filazantsara ny itoriantsika ny finoana (Mar 1.15; Fil 1.27)
  • IREO FOTOKEVITRA MIARA-DALANA MANDRAKARIVA AMIN’NY FINoana (concepts qui vont toujours ensemble avec la foi)
  • Finoana sy fanatenana, ary fitiavana: 1Kor 13.13
  • Finoana sy asa: Jao14.12, Gal 5.6
  • Finoana sy fahalalana: Jao 6.69; Efe 4.13
  • Finoana sy Toriteny ary fampianarana: Rom 10.17; 1Kor 15.14
  • Finoana sy fizahan-toetra ary faharetana: Jak 1.3; 1Pet 1.7
  • Finoana sy fibebahana: Mar 1.15; Asa 20.21; Heb 6.1
  • Finoana sy Famonjena : famonjena ny fanahy no tanjon’ny finoana (1Pet 1.9)

Ny Finoana dia mety ho kely (petite, peu, oligopistia) (Mat 17.20; Lio 12.28) ary mety ho lehibe (grande) (Mat 15.28; Mat 8.10, mety mitombo (augmenter) (2Tes 1.3; 2Kor 10.15) ary mety mihena na mihemotra (se retirer, se reculer) (Heb 10.38-39). Tsy azo afatra anefa ny finoana satria ny Tompo irery no mahalala ny fatrany (Apo 2.19). Ny asa sy ny kalitaon’ny Finoana no maha ahitana fa matanjaka ny finoana (Lio 17.5-6; Mat 8.1-13).