MIHAVAO AO AMIN’NY TOMPO NY MPINO
Misy teny na voambolana roa amin’ny teny Grika ao amin’ny Soratra Masina hilazana ny VAOVAO izay manambara fanavaozana sy fihavaozana, dia ny KAINOS (kaino.j, kainh,, kaino,n) sy ny NEOS (ne,oj, nea, neon).
- NY VAOVAO / KAINOS:
Ny KAINOS dia zava-baovao miainga tamin’ny teo aloha, fanavaozana ny zavatra na olona na hevitra efa nisy, na fanatsarana ny teo aloha, izany hoe mihavao miainga amin’ny teo aloha ihany ka hatsaraina sy ampiana ary omena dika vaovao izany. KAINOS dia matetika ampifanoherina amin’ny avrcai/oj (ARKAIOS, archeology) na palaio.j (PALAIOS).
Ohatra:
- Jn 13.34; 1Jn 2.7-11 Didy vaovao (ENTOLÊN KAINÊN) sy Didy ela (ENTOLÊN PALAIAN)
- 2Co 5.17: olona vaovao na toetra vaovao na zavaboahary vaovao (KAINÊ KTISIS) mifanohitra amin’ny tranainy (ARKAIA)
- Rv 21.1 (APO 21.1): Lanitra vaovao (OURANON KAINON) sy tany vaovao (GÊN KAINÊN) mifangarika amin’ny teo aloha na ilay voalohany
- 2Co 3.14 // 1Co 11.25; Lc 22.20: Fanekana Taloha sy Fanekena Vaovao na Testamenta Taloha sy Testamenat Vaovao (PALAIAS DIATHÊKÊS sy (KAINËN DIATHÊKÊN).
Ireo dia zavabaovao na fihavaozana miainga amin’ny teo aloha ihany saingy mihatsara kokoa, ary mety tsy hitovy amin’ny teo aloha nefa misy ifandraisany hatrany.
2. NY VAOVAO / NEOS:
Ny NEOS kosa dia tena zava-baovao mbola tsy nisy mihitsy, fandrodana ny teo aloha hisian’ny vaovao, tena vaovao izany ka tsy afaka hiaraka amin’ny efa tonta. Matetika dia ampifanoherina amin’ny teny hoe palaio.j (PALAIOS, paleontology) izany. (Voambolana: ny “neophyte” dia midika fahateraham-baovao teo amin’ny kristiana, ny “néologisme” dia teny vaovao vao ampiasaina amin’ny fiteny iray).
Ohatra:
- Lc 5.37-39: siny hoditra TONTA (PALAIOUS) sy divay VAOVAO (NEOS), zavatra vaovao tsy afaka miaraka amin’ny efa tonta fa manjary mifanimba,
- Col 3.9-10: toetra na olona taloha (PALAION ATHROPON) nosoloana vaovao (NEON); 1Cor 5.7
Ireo dia manambara zavabaovao tanteraka, na fanavaozana tsy misy ifandraisany amin’ny teo aloha mihitsy, izany hoe zavatra na toetra (sns) mbola tsy nisy nefa misy ankehitriny.
FEHINY:
Ny olona mihavao izany dia miaina fihavaozana roa sosona:
- Ao ny fihavaozana izay miainga amin’ny fanatsarana ny zavatra na toetra na fomba fanao teo aloha, izay tsy manafoana ny maha izy azy antsika. Izany hoe mihavao miainga amin’ny teo aloha isika raha miara-miasa amin’ny Tompo, satria manana andraikitra amin’io isika. Oh.: mihavao amin’ny fifandraisana amin’ny Tompo sy amin’ny hafa.
- Eo kosa anefa ny fanavaozana sy fihavaozana tena ataon’Andriamanitra na omen’ny Tompo ao antsika ka tsy misy ifandraisany amin’ny teo aloha intsony. Ka dia tsy maintsy manary ny tonta na mandrodana ny teo aloha isika mba handray an’io zavabaovao io, mba hahatonga antsika hihavao. Miankina bebe kokoa amin’Andriamanitra izy io fa ny anjaratsika dia manaiky sy mankato. Oh.: mandray toetra vaovao avy amin’ny Tompo izay tsy nisy tamin’ny tena mihitsy teo aloha: fahadiovam-po, fijerena ny hafa mialoha ny tena, fahamasinam-pitondrantena, fanompoana vaovao.
Micaël Rakotozafy, Lausanne 30.09.2024