Fampianarana Novambra – La piété / Eusebia

EUSEBIA – NY TOE-PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA – LA PIETE

  1. Teny fampiasan’i Paoly amin’ireo Taratasy Pastoraly (les lettres pastorales) ny hoe « toe-panahy araka an’Andriamanitra (teny Grika : EUSEBIA : euvse,beia) (la piété), i Petera koa dia nampiasa an’io teny io. Jereo ny 1Tim 2.1-2 ; 1Tim 3.16, 1Tim 4.6-8 ; 1Tim 6.3-11 ; 2Tim,3.1-13 ; Tit 1.1-4 ; 2Pet 1.1-7 ; 3.11-13). Ny EUSEBIA (Toe-panahy araka an’Andriamanitra) dia anatin’ny sehateny momba ny fitondrantena amin’ny ny fivavahana. (Eusebia (la piété) se trouve dans le champ sémantique de l’éthique concernant la religion).
  2. Teo amin’ny Grika : ny eusebia dia midika fanajàna an’ireo andriamanitry ny tanàna amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny fanatitra sy ny fombam-pivavahana samihafa ; izany dia mifandraika amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra teo amin’ny Jodaisama izay samy maneho fihetseham-po mirona amin’ny fivavahana. (Pour le monde grec, l’eusebia (piété) consiste principalement au respect des dieux de la cité par l’accomplissement des sacrifices et des rites, et elle fait écho à la crainte de Dieu dans judaïsme et les deux sont l’expression d’un même sentiment, la piété). Teo amin’ny Romana kosa ny atao hoe olon’ny fivavahana na mpivavaka dia ireo mpanaraka marindrano sy amin-joto ny fitsipika na tondrozotra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana amin’ireo andriamanitra. (Pour les Romains être religieux (religiosus), c’est d’être « observateur zélé de toutes les prescriptions ayant trait au culte des dieux »). Ary teo amin’ny Jiosy , ny hoe « Jiosy mpivavaka » dia tondroina hoe Ssomer mitsvot na mpiambina na mpanaja ny lalàna, sady matahotra an’Andriamanitra no mankato ny lalàna. (Pour les Juifs un « Juif religieux » est précisément un chômer mitsvot (littéralement : « gardien ou respectueux des préceptes), c’est à dire quelqu’un qui craint de Dieu et respecte la Loi).
  3. ) : misy ireo teny na hevitra mirakitra faharatsiana izay manohitra amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (catalogue de vices en l’encontre de la piété) (1Tm 6.3-10 ; 2Tm 3.1-5) ; misy koa ireo teny na hevitra mifanaraka amin ‘ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (catalogue de vertus en relation avec la piété) (1Tm 6.11 ; 2Tm 3.10). Tandremo anefa fa valisoan’ny Eusebia ny fisian’ny fanenjehana.!!!!!! (La Persécution est la récompense de la piété (2Tm 3.10-12).