Indro averina ampitaina amintsika ny tetiandron’ny Synodamparitany miaraka amin’ireo daty fanampiny.
Araka ny tapaka nandritra ny isan-keritaonan’ny Synodamparitany tamin’ny taona 2021 lasa teo dia ampitaina amintsika ny fandaharam-potoan’ny Synodamparitany amin’izao taom-piasana 2022 izao.
Sabotsy 4 jona 2022 (tapakandro): Famoahana sy Fanirahana ireo Mpiomana ao amin’ny SEFALA SP37
Sabotsy 25 jona 2022 (tapakandro): Fanompoam-pivavahana fitrotroana am-bavaka ny firenena sy fahatsiarovana ny faha 185 taonan’ny Martiora , arahina fampisehoana an-tsehatra ary rindran-kira ara-pilazantsara ataon’ny Sampana SP37
Jolay na aogositra (3-5 andro): Fifampiofanan’ny Mpitandrina (recyclage pastoral)
Sabotsy 29 septambra 2022 (tapakandro): Fanompoam-pivavahana fideràna an’Andriamanitra noho ny tsingerin-taona faha 13 n’ny SP37
Sabotsy 29 oktobra 2022 sy alahady 30 okrobra 2022: Fivoriamben’ny SP37 hatao eto amin’ny Ile de France