Sampana Sekoly Alahady Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina- SPVFA 37
Isaorana Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara ny fanompoam-pivavahana famoahana ireo Mpampianatra Sekoly Alahady eto anivon’ny SPVFA 37, nanaraka ny fiofanana SAMM tao anatin’ny roa taona teo ho eo. Fanompoam-pvavahana natao tao amin’Ny FJKM Ziona Vaovao Paris moa izany.
Nisy 35 mianadahy izy ireo tamin’izany ary mitondra ny anaran’ny andiany hoe : “ANDIANY FIHAVAOZANA”. Nanana mpampianatra tao anatin’izany koa moa isika FJKM Gland Fahasoavana dia :
- RABELAZA BAILLIF Aldine Olidera
- RAKOTOMAHANINA Rabeson Volamboahangy
- RASOLOMBOAHANGINJATOVO Aina Heritiana
Teny faneva namoahana azy ireo, sady niompanan’ny hafatr’Andriamanitra rahateo dia ny hoe: “ Koa amin’izany mangataka aminareo aho ry rahalahy, noho ny famindrampon-Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra dia fanompoam-panahy mety ataonareo izany: Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa miova amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra , dia izay tsara sady ankasitrahana no marina” Romana 12: 1-2.
Isaorana antsika fiangonana ny nitondra tamin-bavaka izany ary izay tonga tany ihany koa tamin’ny fanotronana sy ny fiaraha-niombom-bavaka.
Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.
Pasteur Tahiry RAKOTOMANANA