Famangiana tanterahin’ny SAMPATI SP37: ny alahady 6 aprily 2025

Misaotra an’Andriamanitra Lehibe isika fa afaka manantanteraka ny famangiany eto anivon’ny fitandremana FJKM Gland Fahasoavana ny SAMPATI SP37.

Ho avy izy ireo ny alahady 6 aprily ao Saint Julien ka hiara-hiombom-bavaka amintsika sady hanantanteraka fanentanana momba ny SAMPATI (Sampana Mpanazava sy Tily).

Ho mariky ny fiombonantsika dia hisy fiaraha-misakafo hotanterahina miaraka amin’ny SAMPATI SP37 sy ny biraon’ny STK SP37 amin’io andro io. Koa ao aorian’ny fotoam-pivavahana any Saint Julien dia hiaraka hientana isika rehetra hamonjy ny Salle Paroissiale ao Gland.

Entanina avokoa isika hitondra entrée, laoka, vary , zava-pisotro ary voankazo fa « buffet canadien » no ho tanterahina amin’io.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *