Famangiana tanterahin’ny biraon’ny STK SP37: ny alahady 6 aprily 2025

Fifaliana lehibe ho antsika ny mandray ny biraon’ny Sampana tanora Kristianina SP37 izay hiara-hiombom-bavaka amintsika ny alahady 6 aprily maraina ao Saint Julien.

Misaotra an’Andriamanitra ary misaotra azy ireo ihany koa fa afaka nanokana fotoana hamangy sy hankahery ary hifampizara amin’ny STK FJKM Gland Fahasoavana izy ireo.

Ho mariky ny fiombonantsika dia hisy fiaraha-misakafo hotanterahina miaraka amin’ny biraon’ny STK SP37 sy ny SAMPATI SP37 amin’io andro io. Koa ao aorian’ny fotoam-pivavahana any Saint Julien dia hiaraka hientana isika rehetra hamonjy ny Salle Paroissiale ao Gland.

Entanina avokoa isika hitondra entrée, laoka, vary , zava-pisotro ary voankazo fa « buffet canadien » no ho tanterahina amin’io.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.