Éléctions chez l’école du dimanche

« Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram- pony. » Salamo 100: 5

Ho an’ny Biraompiangonana sy ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny biraon ny Sampana Sekoly Alahady, dia maneho fisaorana antsika rehetra noho ny fahatontosan ny fivoriambe voalohany izay natao ny alahady 23 janoary lasa teo.

Mankasitraka ny birao, ny mpampianatra, ny Ray amandreny ary ny mpianatra tamin ny famaliana ny antso ary isaorana koa ireo rehetra nitrotro ambavaka tamin ny fanatanterahana ny fivoriana.

Andriamanitra manankarem pahasoavana anie hamaly fitia anareo.

Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady