Direction Perroy plage [SLK]

Alahady SLK
Le dimanche 12 mai 2024 fut le premier dimanche de l’année de la SLK au sein de notre paroisse.
Nous avons pu les porter en prière et eux, ont pu nous présenter un concert du groupe Ny Ako (je vous conseille de jeter un coup d’oeil au live à partir de 2:29:00) et nous offrir un bel après-culte.


Sortie d’été

Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza.

1Korintiana 16 : 13

Ho an’ny Biraompiangonana sy ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ampifaliana no ampahafantarin’ny Biraon’ny SLK fa ny toerana nosafidiana hanatanterahina ny Sortie d’été ny Fiangonana izay kasaina hatao amin’ny sabotsy 15 jona 2024 dia eny Perroy plage, Chemin de la Plage 5, 1166 Perroy, araka izao fandaminana izao :

  • Ora fanombohana : 10 ora sy sasany maraina ;
  • samy mitondra sakafo sy zava-pisotra sahaza ny isam-pianakaviana ;
  • entanina hanomana lalao iraisana izay manan-talenta amin’izany.

Raisina ampifaliana hatrany ny sosokevitra sy torohevitra ahafahana mandavorary ny fikarakarana.
Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Lehilahy Kristiana