Diplômes, AG et rentrée : SSA

« Ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa,fa ratsy izao fiainana izao »

Efesiana 5.16

Araka ny fivoriamben’ny sampana Sekoly Alahady tamin’ny ny 23 jona lasa teo địa tapaka fa hanatrika ny isankerintaonan’ny Sampana Sekoly Alahady izay ho tanterahina any Strasbourg amin’ny sabotsy 5 oktobra izy ireo.

Marihina fa fizarana certificat tamin’ny fanadinana farany teo no hatrehana any.


Ilazana isika ray aman-dreny sy mpikambana rehetra ao amin’ny Sampana Sekoly Alahady fa ny fivoriamben’ny sampana dia ho tanterahina ny alahady 22 septambra 2024 amin’ny 11h maraina eto Gland.

Koa manentana ny mpikambana rehetra mba hanatrika izany fotoana izany.


« Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra*, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy ianareo, sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

Filipiana 1.9-11

Ny Sampana Sekoly Alahady dia faly manasa ny Fiangonana amin’ izao fidiran’ny mpianatra Sekoly alahady izao, mba hanatevin-daharana ny sampana.

Koa mampatsiahy ny mpianatra rehetra sy ireo izay maniry hianatra sekoly alahady ho tonga hanatrika ny fampianarana isaky ny alahady faharoa sy alahady faha-4 @ 12h30 – 13h45. Ny fampianarana moa dia efa nanomboka ny alahady 8 septembra.