“Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.” Josoa 21: 45
DANIELA, MITANA NY TENINY NY TOMPO no lohatenin’ny hetsika notanterahina tamin’ny alahadin’ny Zarampifaliana.
Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny alahady 27 febroary 2022 izany fotoana izany, nentina koa nisaorana sy nankalazana an’Andriamanitra ary nitondrana am-bavaka ny Zarampifaliana.
Vaovao fanampiny :
Noho ny antony ara-pahasalamana dia niato ny fianaran-kira “présentiel” tamin’ny volana febroary . Nitohy foana anefa ny fihaonana isaky ny zoma alina amin’ny 7 ora sy sasany.
Nisy ihany koa ny tetik’asa izay nahemotra noho ny antony ara-pahasalamana ihany. Koa irina mba hiverina hihira eto amin’ny fitandremana indray ny antokom-pihira amin’ny volana martsa.
Mangataka antsika hitondra am-bavaka hatrany ny antoko mpihira amin’ny asa tanterahiny rehetra.