Culte du 06 Février 2022

« Mitana ny Teniny ny Tompo »

« Le Seigneur tient parole. »

Nous arrivons déjà au deuxième mois de cette année. Le nombre 2 se voit beaucoup, 02.2022. Dualité et échange sont synonyme de ce mois.

Un vent de grâce nous est promis cette année et le Seigneur ne manquera pas à sa parole.

Nous nous sommes retrouver à Saint-Julien, à 10h 30, masque sur le nez, pass covid et Bible en main.

La prédication qui nous a été offert ce dimanche s’est basé sur le verset dans Apocalipse chapitre 21 verset 5. Voici un résumé du message qui nous a été donné.

« Indro havaoziko ny zavatra rehetra…fa mahatoky sy marina ireo teny ireo » Apokalipsy 21 : 5

* Mahatoky amin’ny Teniny Andriamanitra = izay nambarany dia tsy maintsy ho tanteraka
* Marina amin’ny Teniny = tsy diso, tsy misy fitaka, tsy hamitaka

Ireo zavatra 3 hotanterahan’ny TOMPO :

1) Manavao ny tontolo rehetra tsy ankanavaka ny TOMPO (and.1,2)Faminaniana ny amin’ny ho avy, fahitana nomena an’i Jaona no voalaza eto. Manoloana ny faharavana sy fahapotehana tsy maintsy ho avy, dia manavao ny TOMPO. Fanantenana no ao ambadik’izany.Na rava aza izao tontolo hitantsika izao, dia misy fanantenana.Ary ny SAFODRANO raha raisina amin’ny lafiny miiba, dia midika FANADIOVANA

2) Manavao ny toerana misy Azy eo anivontsika ny TOMPO (and.3)Mba ahafahany mitoetra anaty tontolo vaovao, dia maka initiative manamboatra ny toerany Izy. Andriamanitra eo afovoan’ny olony. Andriamanitra miasa amin’ny olona rehetra na mino na tsia, fa izay tia Azy (Romana 8 : 28) no mahita ny fiadanana entiny.Raha mahatsiaro reraka isika (tsy mahavavaka sns…) dia IZY no manantona manavao ny herintsika.

3) Manavao ny lasa Andriamanitra (and.4)Manana zavatra mila fafana avokoa isika rehetra (Isaia 43 : 18-19) .Tsy mivadika ny Tompo. Fa rehefa miankina Aminy isika, dia miaina ny alahelo anaty fiadanana, ny fahoriana anaty fiadanam-po. Raha mitombo ny trosa, dia mahay mampitombo ny kitapontsika Andriamanitra. Hain’Andriamanitra ny manavao ny Fiangonana rehefa misy ny olana.Fa kosa ny fepetra : Apokalipsy 21 : 7  » Izay maharesy no handova izany zavatra rehetra izany »=> mila miady amin’ny fahalovana eto amin’izao tontolo izao isika.

RAJAONA Lalaina, Mpitandrina

Notes d’un de nos paroissiens ☺️

Une collecte s’effectuera durant le culte et une autre durant la Cène.

Soli deo Gloria