Alahady fankasitrahana ny Mpitandrina Lalaina RAJAONAH

Isaorana an’Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara ny fotoana tamin’ny alahady 28 janoary 2024 lasa teo.

« Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. » Efesiana 2: 10

Io tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Efesiana io no teny nosafidian’ny Mpitandrina Lalaina RAJAONAH nentina namaranana ny fotoam-piasana teto anivon’ny FJKM-Gland Fahasoavana.

Ny tenin’Andriamanitra natolotra azy dia:

« Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. » Deotoronomia 31: 6

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana