Ho tanterahina ny alahady 9 febroary 2025, amin’ny 2 ora tolakandro, ho avy izao ny alahady fandraisana ny Mpitandrina vaovao izay hiasa eto amintsika manomboka ny 1 febroary 2025 ka hatramin’ny 31 janoary 2026.
Araka ny nampitaina nandritra ny Fivorian’ny Mpandray, dia ny Mpitandrina RASOHARINAIVO Mioranantenaina no Mpitandrina hiasa eto amintsika.
Isaorana an’Andriamanitra lehibe noho ny fisian’ny tetik’asa Postdoc iarahantsika amin’ny FJKM, Onifra, DM sy ny UNIL ankehitriny. Io tetik’asa io no ahafahantsika manana Mpitandrina manohy ny asa fikarohana aty amin’ny UNIL ary miasa eto amintsika sy eo anivon’ny DM ary ny fiangonana Suisse.
Ny Biraon’ny Synodamparitany sy ny DM no hitarika ny fanompoam-pivavahana amin’izany. Hisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Aorian’ny fotoana dia hisy ny fiarahana misakafo ao amin’ny salle paroissiale ao Gland. Repas canadien no atao koa dia iangaviana isika samy hitondra entrée, laoka sy dessert.
Mangataka antsika hitondra am-bavaka ny fikarakarana rehetra.
Amin’ny Anaran’ny Biraompiangonana