Alahadin’ny Sekoly FJKM, tantara fohy

Notanterahina tamin’ny alahady 8 jona 2025 ny alahadin’ny Sekoly FJKM. Hitondrana am-bavaka ny Sekoly eo anivon’ny FJKM manerantany no nanatanterahina io alahady io. Anatin’izany alahady izany ihany koa hanentanana ny fiangonana rehetra amin’ny fanohanana ny Sekoly.

Nolovaintsika FJKM tamin’ny fomba fanaon’ny London Missionary Society (LMS) ny fanorenana sekoly. Ny LMS dia manorina sekoly no tanterahiny voalohany miaraka amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Anisan’ny nahafahantsika nanoratra ny teny malagasy tamin’ny abidia latina ny fisian’ny sekoly nampidirin’ny misionera anglisy.

Tamin’ny taona 1818 no nanomboka nampianatra tao Toamasina ny misionera David Jones sy Thomas Bevan.

Miaraka tanteraka amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny fampandrosoana ny Sekoly entina hitoriana ny Filazantsara.

RRM