Alahadin’ny Sekoly FJKM ny 9 jona

Tanterahina ny alahady 9 jona 2024 izao ny alahadin’ny Sekoly FJKM. Izany fotoana izany dia fotoana hitondrana am-bavaka ny asa tanterahina rehetra eo anivon’ny Sekoly FJKM sy koa ahafahana manohana ny asa misy amin’ny fomba azo tsapain-tànana.

Hotohizantsika amin’ity taona 2024 ity ny fanohanana ny Sekoly FJKM. Koa hanatanteraka rakitra faharoa isika amin’izany ny alahady 9 jona 2024 ao Gland.

Ny Biraompiangonana