Ny Mpiandraikitra Foibe na MF dia Ambarantongam-pitondrana eo anivon’ny Synoda Lehibe (Ambaratongan-drafitra eo amin’ny FJKM).
Ny andininy 261, 262, 263 ary 264 eo amin’ny Foto-dalàna sy ny Fitsipiky ny FJKM no mametra ny mpikambana amin’ny MF sy ny andraikiny.
Zato (100) ny mpikambana amin’ny MF ary mitsinjara toy izao:
- Mpitandrina Voatokana diampolo (50)
- Laika dimampolo (50) ka Mpampianatra matihanina ao amin’ny Sekolin’ny FJKM ny telo amby folo (13).
Santionany amin’ny asan’ny MF ny manolotra tatitra eo amin’ny Synoda Lehibe momba ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe sy ny fanatanterahany ny asany; ny mifidy sy manala ny Sekretera Jeneraly; ny mankato ny Tonian’ny Sampana sy Talen’ny Sampanasa; ny manangana Vaomiera sy Komity.
Avy ao amin’ny Mpiandraikitra Foibe no hifidianana izay hoe Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy izay ho Filohan’ny FJKM.
Amin’ity taona 2025 ity dia mivory in-droa ny MF mialoha ny Synoda Lehibe any Fort-Dauphin: ny 23 ka hatramin’ny 30 aprily 2025, ny 11-13 jona 2025.
RRM