Fampianarana Febroary – Mamonjyny Tenin’Andriamanitra

Mamonjy ny Tenin’Andriamanitra

Ny Andriamanitra ivavahantsika dia hafa dia hafa satria ny Teniny sy ny Anarany ary ny Asany dia tsy azo sarahina satria maneho ny maha Andriamanitra Azy. Ohatra amin’izany ny hoe : ny anaran’Andriamanitra dia mahavonjy (Asa 2.21 ; Mat 1.21), ny Tenin’Andriamanitra dia mamonjy (Sal 107,19-20), ary asan’Andriamanitra dia mamonjy ny olona (Sal 74.12-15 ; Isa 59.1).

  • Ny Tenin’Andriamanitra dia Teny mivoaka @ vavan’Andriamanitra ka mamonjy ny olona : Sal 105.8-12 ; Mat 8.26 ; Lio 4.39
  • Ny Tenin’Andriamanitra dia tonga nofo hamonjy ny olona, dia i Jesoa Kristy izany: Jao 1.14 ; Asa 4.8-12
  • Ny Tenin’Andriamanitra dia ny Filazantsaran’ny famonjena: Rom 1.16; 1Kor 1.17-18 ; Efe 1.13 ; 1kor 15.1-2
  • Ny Tenin’Andriamanitra dia Toriteny mitondra famonjena : Rom 10.13-17 ; 1Kor 1.20-25 ; Asa 8.12 ; 16.30-34
  • Ny Tenin’Andriamanitra dia Teny apetrak’Andriamanitra amin’ny vavan’ny mpanompony mba hamonjeny ny olona : Asa 2.40 ; 16.25-26 ; 28.8 ; Mar 16.17-18 ; Jod 3 

Rakotozafy Micaël, 2025