Ampatsiahivina isika ry havana fa ny alahady 26 janoary 2025 ho avy izao no alahady natokantsika hankasitrahana ny:
- Mpitandrina Micaël Rakotozafy
- Biraompiangonana teo aloha
- Biraon’ny Sampana sy Biraon’ny Antoko Mpihira teo aloha
- Komity nanomana ny fifidianana
- Komity fanangonan-kevitra
Koa mangataka antsika rehetra sy ireo voatonona hiomana amin’izany.
Ny Biraon’ny Synodamparitany miaraka amin’ny DM no hitarika antsika amin’izany alahadin’ny fankasitrahana izany.
Araka ny aro fenitra dia manao fanamiana avokoa ny diakona sy loholona rehetra mandritra io alahady io.
Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy ny fiarahana misakafo tanterahina ao amin’ny Salle paroissiale. Repas canadien no hatao koa iangaviana isika mba samy hitondra entrée, laoka, voankazo ary zava-pisotro. Ny fiangonana no mikarakara ny vary.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana