Sary sy fisaorana 21 Sept : SLK

« Miorena tsara, aza miova … ry Lehilahy mahery » I Kor 15:58, Mpitsara 6:12b
Isaoran’Andriamanitra fa tontosa soaman-tsara ny fivoriamben’ny SLK izay notanterahina tany Saint-Genis-Pouilly omaly Sabotsy 21 septambra 2024.
Isaorana manokana ny Mpitandrina Rakotozafy Micaël tonga nanome voninahitra sy nitondra fampianarana tamin’izany fivoriana izany.

Isaorana indrindra ihany koa ny fianakaviana izay nampiantrano
Ary farany dia misaotra ireo mpikambana rehetra tonga nivory, ary mankahery ihany koa ireo naniry ny ho tonga nefa tsy afaka noho ny antony samihafa.

Ny tatitr’izany fivoriana izany dia ho ampitaina amin’ny mpikambana SLK rehetra amin’ny fotoana izay mahamety azy.
Ny Birao SLK Gland.