“Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny fiangonana no hideràko Anao.”
Salamo 22: 22
Ny Antoko Mpihira Zarampifaliana dia manasa antsika amin’ny Alahadin’izy ireo izay ho tanterahina ny alahady 13 oktobra 2024 ho avy izao.
Mandritra izany fotoana izany no hanatanterahin’izy ireo ny fitoriana amin’ny alalan’ny “Théâtre Musical” izay mitondra ny lohateny hoe: “Isaia, Manavotra antsika ny Tompo”.
Mangataka antsika hitondra am-bavaka ny fikarakarana rehetra.
Etoana dia tiana ny manentana antsika rehetra izay maniry hanatevin-daharana ny Antoko Mpihira amin’ny asa fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira.