
Am-pifaliana sy am-pitiavana no anasan’ny Sampana Lehilahy Kristianina (SLK) eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana anareo hanatrika ny rindran-kira iarahana amin’ny Groupe “Ny Ako” ny Alahady 12 May 2024 amin’ny 4 ora sy sasany, ao amin’ny Temple de Gland, Grand-Rue 36, Gland 1196.
Tsy misy ny vidim-pidirana fa rakitra no hotatazana entina manohana ny asa fitorian’izy ireo ny Filazan-tsara.
Ny Sampana Lehilahy Kristianina – FJKM Gland Fahasoavana