« Tsy ianareo no nifidy ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen ny Ray anareo izay rehetra hangatahanareo amin ny anarako na inona na inona. »
Jaona 15: 16
Ho an’ny Biraompiangonana sy ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
Araka ny efa fantantsika dia fotoam-panavaozana isika amin’izao fotoana izao, koa tianay Sampana Sekoly Alahady ny mampatsiahy antsika fa ny fifidianana eto anivon’ny sampana dia ho tanterahina ny alahady 28 Aprily ho avy izao amin’ny 11 ora maraina, ao amin La Cure. Entanina isika mpikambana mba ho tonga maro amin io fotoana io. Tianay ny manamarika fa ny atao hoe mpikambana afaka mifidy amin’io fotoana io dia ny Ray amandrenin’ny mpianatra, ny mpianatra 15 taona miakatra, ary ny mpampianatra. Isika ireo no toko 3 mahamasa- nahandro ho amin’ny fampandrosoana ny sampana koa manantena ny fahatongavantsika maro.
Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady