Clinique FJKM – Vokatra azo tamin’ny hetsika voalohany

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika voalohany nanaovana fanangonam-bola entina hanombohana ny asa fanamboarana ny Clinique FJKM. Ny vola voaangona dia mitentina 4690.60 EUR. Ny tanjona dia 10000 EUR.

Koa manentana antsika izay maniry hanohana izany ezaka izany tsy hisalasala hanao fanomezana ahatratrarana ny tanjona. Azo atao tsara ny mandrotsaka ny fanohanana amin’ny kaontin’ny fiangonana fa mariho tsara fotsiny ny sora-bola hoe: Clinique FJKM.

Isaorana mialoha antsika amin’ny fiaraha-miasa.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana.