Ho tanterahina amin’ny sabotsy 16 martsa 2023 izao ny hetsika fitadiavam-bolan’ny Synodamparitany. Araka ny teti-bolan’ny Synodamparitany dia mitentina eo amin’ny 8000 EUR eo ny vola eritreretina ho voaangona anatin’izany hetsika izany.
Mandray anjara anatin’ny fikarakarana ny FJKM-Gland Fahasoavana. Ireto avy ny andraikitra nomena antsika:
- Tapakila 30 mitentina 30 eur avy ho an’ny olon-dehibe
- Dessert ho an’olona 270
Koa entanina isika ry havana amin’ny fandraisana anjara mavitrika amin’izany hetsika izany.
Ny fotoana dia ao amin’ny Palmier d’or, 5 rue Saint-Claude, 77340 Pontault-Combault, France.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana