Ho tanterahina ny alahady 28 janoary 2024 ho avy izao ny alahady fankasitrahana ny Mpitandrina Lalaina RAJAONAH.
Ny fanompoam-pivavahana hiderana an’Andriamanitra dia hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro toy ny mahazatra ao Gland. Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy ny fiarahana misakafo ao amin’ny Salle paroissiale ao Gland.
Toy izao ny fandaminana amin’izany :
- Hisy valopy ho zaraina amintsika manomboka ny volana janoary.
- Momba ny sakafo dia samy mitondra entrée, laoka, voankazo ary zava- pisotro sahaza azy avy ny fianakaviana tsirairay.
Ny tohin’ny fandaminana rehetra dia hampitaina amintsika eto ihany.
Amin’ny anaran’ny Biraom-piangonana