Ampatsiahivina isika ry havana fa ny sabotsy 9 desambra 2023 amin’ny 12 ora sy sasany atoandro no hanatanterahana ny sakafom-pirahalahiana ho famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-15 taonan’ny Sampana sekoly alahady.
Ny toerana: Espace de quartier le 99, 1203 Genève.
Ny alahady 10 desambra 2023 kosa no alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe. Ny fanompoam-pivavahana amin’io fotoana io dia ho tanterahina any Vich fa tsy eto Gland.