Save the date: Voka-dehibe voalohany amin’ny 28 may 2023

Araka ny tetiandron’ny fiangonana dia ho tanterahina ny alahadin’ny Pentekosta, 28 may 2023 izao ny voka-dehibe voalohan’ny fiangonana.

Io no fitadiavam-bola voalohany ho tanterahintsika amin’ity taona ity entina manohy ny asan’ny fiangonana.

Sakafo masaka sy dessert surprise no atolotra hatao vokatra. Ny fanamby napetratsika hatramin’izay moa dia ny hoe sady “qualité” no “quantité” ny sakafo atolotsika.

Hisy valopim-bokatra ihany koa amin’io fotoana io. Entanina isika ry havana amin’ny fandraisana anjara mavitrika.

Mangataka antsika hitondra am-bavaka hatrany ny fikarakarana rehetra.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana