Photos du week end SA

Ho an’ny Biraompiangonana sy ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Sampana Sekoly Alahady dia maneho fisaorana ny Fiangonana , ny ray amandrenin ny mpianatra ary koa ireo mpampianatra sy ny ankizy rehetra tamin nahatontosan’ ny alahadin ‘ ny Sekoly Alahady ny alahady 23 aprily lasa teo. Ny fankalazana ny faha 15 taonan’ ny sampana dia mitohy hatrany ary dia mbola mangataka vavaka aminareo tsirairay avy ny amin hatatontosan’ny ezaka izay mbola kinasa

Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo tsirairay.

Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady

« Jehovah o, Andriamanitro Ianao.Hanandratra Anao sy hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava- mahagaga Ianao, dia zavatra efa voakasa hatramin ny ela sady mahatoky no marina indrindra. » Isaia 25:1

Sary tamin’ny 22 sy 23 aprily 2023 :