Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny alahady 23 oktobra 2022 lasa teo ny fivorian’ny Mpandray tsy ara-potoana.
Teboka efatra (4) no naroson’ny Mpihevi-draharaha ary nankatoavin’ny Mpandray nandritra izany fivoriana izany:
1- Nankatoavin’ny Mpandray ireo « critères » na mason-tsivana momba ny Mpitandrina ho alefa any amin’ny Synodam-paritany sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe (BMF).
2- Nankatoavin’ny Mpandray ny fandraisana ny Synodamparitany amin’ny oktobra 2023 mandritra ny isan-keritaona Synodamparitany. Ho avy aty Suisse avokoa ireo fitandremana sy fiangonana ary VOMM ao amin’ny Synodamparitany.
3- Nankatoavin’ny Mpandray fa afaka manao rakitra faharoa ny Sekoly Alahady amin’ny alahady 13 novambra sy ny alahady 27 novambra ho fanohananana ny hetsika 15 taona tanterahin’izy ireo amin’ny sabotsy 10 sy alahady 11 desambra 2022 ho avy izao.
4- Nankatoavin’ny Mpandray fa hanao rakitra faharoa isika amin’ny alahady 4 novambra 2022 ho avy izao ho fanohanana ny fampitaovana ny Radio Fahazavana eo anivon’ny Synodamparitany ao Toamasina.
Isaorana an’Andriamanitra ny nahafahana nandray ireo fanapahan-kevitra ireo.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana.