29 sy 30 oktobra 2022, Fivoriambe isan-keritaonan’ny Synodamparitany, rakitra faharoa fanohanana

Tanterahina any Paris ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 oktobra ny isan-kerintaonan’ny Synodamparitany. Raisin’ny FJKM-Montrouge Paris ny fotoana amin’ity taona ity.

Efa fantatra ny isan’ireo mpiangona avy aty amin’ny FJKM-Gland Fahasoavana izay hanatrika ny fotoana.

Ho fanohanana azy ireo amin’ny fandaniana rehetra dia hanatanteraka rakitra faharoa isika amin’ireto daty ireto:

  • Ny alahady 9 oktobra 2022
  • Ny alahady 23 oktobra 2022

Ho fampatsiahivana dia toy izao ny andinindininy:

  • Toerana: Ao amin’ny Salle Polyvalente, Avenue Alphonse Martin, 91510 Janville-sur-Juine
  • Ny alahady 30 oktobra no fotoana iarahan’ny mpiangona rehetra ao anatin’ny fanompoam-pivavahana iray.

Adiresy fifandraisana: bureau@fjkm-gland.ch, 0041 76 433 35 25