FJKM – Hafatry ny Filoha

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka aza reraka mivavaka
Ho an’ny asa marobe
Efa vitantsika hatreto:
Ao ireny vondron’olona

-Vitsivitsy ihany angamba-
Nefa vonona hivavaka.
Tohàny vavaka izy ireny
Mba hivoatra ho Fiangonana

Tafajoro soa aman-tsara
Ka miezaka hijoro
Na dia vao manomboka aza.
Tohàny vavaka izy ireny

Tena mba handroso tsara
Ho voninahitr’Andriamanitra!
Any ireo Mpitory maro,
Misionera sy ny hafa,

Tena miaritra ny mafy
Hanatratra ireo tanàna
Any an-kebakeban-tany,
Mandeha an-tongotra izy ireny,

Mitety ranobe indraindray,
Kotsan’orana eny an-dalana
Na efa main’ny danik’andro.
Tohàny vavaka izy ireny
Hahavka-tsoa tokoa!

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI