
“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana”. Jaona 4:24
“Mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra” Matio 28:19a
Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny fahadimy taonan’ny fiangonana FJKM Betela Fahamarinana Paris dia faly izahay manasa anareo hanatrika ny FANOMPOAMPIVAVAHANA izay hatao ao amin’ny Eglise Sainte Monique 55 avenue Louis pasteur 92220 BAGNEUX, ny sabotsy 17 Septambra 2022 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Aorian’ny fotoana dia hisy fiarahana miala hetaheta izay atao ao an-toerana ihany.
Mankasitraka sahady ny fitondranareo am-bavaka sy ny fanotronanareo izany fotoandehibe izany.
Tiana ny mampita amintsika fa hisy solotena ny fiangonana hanatrika io fotoana io.
Amin’ny anaran’ny Komity faha-dimy taona FJKM Betela Fahamarinana Paris.