Tontosa soa ama-tsara tamin’ny Asabotsy 11 Jona 2022 ny fanokanana ny Vondron’olona miara-mivavaka tao Neuville ho lasa FIANGONANA FJKM JEROSALEMA FITAHIANA 95. Isaorantsika antsika an’Andriamanitra izany, niampy iray indray ny fiangonana FJKM ato anatin’ny Synodam-paritany misy antsika. Ny Tenin’Andriamanitra niaingana sady ivon’ny fanokanana moa dia ny voalaza ao amin’ny Sal 133: 3 manao hoe “Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny Fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay”. Nitarika ny Fotoana ny Mpitandrina ZARAZAKA Jean Louis, izay Mpitandrina mpiahy ny fiangonana. Nitondra ny tenin’Andriamanitra kosa ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves izay filohan’ny Synodam-paritany Vato Fehizoro Ampitandranomasina. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy ny hira fiderana an’Andriamanitra tahaka ny fanaon’ny fiangonana moa ny fotoana avy eo.
Isaorantsika Andriamanitra fa afaka nanatrika sy nanotrona ireny fotoanan’ny Synodam-paritany rehetra ireny isika Fitandrema FJKM Gland Fahasoavana tamin’ny alalan’ny Mpitandrina izay nisolo tena ny fiangonana, niaraka tamin’izay ekipa afaka niaraka taminy. Ataontsika ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra.