
Tanterahina ny alahady 12 jona 2022 izao ny alahadin’ny Sekoly FJKM. Izany fotoana izany dia fotoana hitondrana am-bavaka ny asa tanterahina rehetra eo anivon’ny Sekoly FJKM sy koa ahafahana manohana ny asa misy amin’ny fomba azo tsapain-tànana.
Isika eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana dia manohana ihany koa ny Sekoly FJKM. Notanterahintsika izany tamin’ny alalan’ireo rakitra nataontsika ho an’ny Département Missionnaire. Ny Département Missionnaire dia manohana amin’ny tetik’asa lehibe iray ny sekoly FJKM (rohy). Mitentina 244’700.-CHF ny teti-bola tanterahina anatin’ny 4 taona (2021-2024).
Hotohizantsika amin’ity taona 2022 ity ny fanohanana ny Sekoly FJKM. Koa hanatanteraka rakitra faharoa in-droa miantaona isika amin’izany:
- Ny alahady 12 jona 2022, ao Gland
- Ny alahady 4 septambra 2022, ao Saint-Julien
Ny Biraompiangonana