Akon’ny Ascension sy Voka-dehibe 1 : 26 Mai 2022

« Mandresy ny fahafatesana ny Tompo. »

Isaorana an’Andriamanitra ry havana fa tanteraka soa aman-tsara ny Voka-dehibe voalohan’ny fiangonana. Tena tsara tokoa ny vokatra. Ho ampitaina amintsika amin’ny raharaham-piangonana ny vokatra azo.

Isaorana antsika ihany koa ry havana tamin’ny nanolorana ireo vokatra sy koa tamin’ny nanombanana izany vokatra izany. Misaotra indrindra ry havana amin’ny fanohanana hatrany ny fiangonana misy antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.