Fanorenana ny tsangambaton’ireo Martiora (faha-185 taona)

Tanterahina amin’ity taona 2022 ity ny fahatsiarovana ny faha-185 taona nahafatesan’ireo martiora protestanta malagasy voalohany.

Misy tsangam-bato roa ho atsangana mandritra izany taona fahatsiarovana izany:

  1. Kianja marotaranja eny amin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina eny Ivato
  2. Boky ahitàna ireo tantaran’ny martiora protestanta malagasy.

Ho antsika FJKM-Gland

Manana anjara anatin’izany fahatsiarovana izany isika amin’ny maha fiangonana vokatry ny Reformasiona antsika. Misy endrika maro azontsika handraisana anjara. Anisan’izany ny fidirana ho isan’ny Sakaizan’ny Martiora.

Ho tanterahina amin’ny alahady 10 aprily 2022 izao ny fanentanana amin’ny fidirana ho isan’ny Sakaiza.

Ahafahantsika mahita ny andinindininy amin’ny tetik’asa dia indro misy rohy vitsivitsy eto ambany atolotra antsika:

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana