1- SLK Hetsika KERE SUD MADAGASCAR
« Fa hamaly azy izy ka hanao hoe: lazaiko aminareo marina tokoa, araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. » Matio 25:45
Ho an’ny Biraompiangonana sy ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny alahadin’ny Sampana Lehilahy Kristiana farany teo, ny 14 novambra 2021 dia nomarihin-dry zareo amin’ny hetsika fanohanana ireo mpiray tanindrazana iharan’ny KERE any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.
Mety ho toy ny rano mitete amin’ny ranomasina ihany izany kanefa ataony amin’ny fo feno fitiavana sy firahalahiana. Misaotra antsika rehetra amin’ny fanohanana anay amin’izany ary koa mitondra ambavaka hatrany haharesy ny KERE vokatry ny haintany mianjady amin’ireo havantsika any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny.
2- Mpitantsoratra vaovaon’ny SLK
« Fa hamaly azy izy ka hanao hoe: lazaiko aminareo marina tokoa, araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. » Matio 25:45
Ny Sampana Lehilahy Kristiana dia faly mampahafantatra antsika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny fitandremana Gland Fahasoavana fa voafidy ho mpitantsoratry ny SLK Andriamatoa IONJA RASOLONIAINA na DOUDOU rehefa lany 100 isan-jato tamin’ny fifidianana notanterahina araka ny fototra sy rafitra FJKM.
Mirary soa sy fahombiazana ho an’ny Rahalahy, Zandry Doudou isika eo amin’ny fanatanterahany ny asa fanompoana sy adidy masina miandry azy amin’izao andraikitra lehibe noraisiny izao.
Ny Tompo homba anao hatrany.
Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Lehilahy Kristiana
Jocelyn Ramanambohitra, Filoha SLK Gland Fahasoavana
