Alahadin ny SSA 12-12-21

« Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo » Jaona 13: 15


Ho an’ny Biraompiangonana sy ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Sampana Sekoly Alahady dia faly mampatsiahy antsika Fiangonana fa ny 12 Desambra ho avy izao no alahady natokana ho an’ny sampana SA.

Hisy ny hetsika izay ho atao ho fampandrosoana ny sampana ary koa ny fizarana ny maripankasitrahana ho an ny ankizy nandritra ny taompianarana teo aloha. 

Koa manainga antsika Fiangonana mba hitrotro ambavaka ho anay ny amin ny fikarakarana rehetra.

Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady